Tranga samihafa

Antovontany Betafo Olona iraika ambin’ny folo naratra vokatry ny fifandonana fiara

Olona iraika ambin’ny, ka fito lahy sy telo vavy lehibe ary zazavavy kely, 6 taona, no indray naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara mpitatitra marika « mini bus Toyota », avy any Mandoto saika hihazo an’Antananarivo sy ny fiara marika « peugeot 505 », mampitohy an’Antsirabe amin’i Betafo, tao Antovontany-Marotampona ao Betafo, omaly tolakandro. Naratra sy voadona mafy, nisy nisedra fahatapahana amin’ny tanana sy tongotra izy iraika ambin’ny folo naratra ireo. Soa fa efa tsy misy ahiana ny ain’izy ireo. “Lehilahy manodi­dina ny efapolo taona, tsy fantatra ny momba azy ihany no somary voa mafy ka arahi-maso akaiky”, hoy ny filazan’ny mpiasan’ny hôpitaly Loterana Andranomadio, izay nandray ireto tra-doza ireto.Fantatra fa fianakaviana nikasa hangata-bady any Antananarivo ireo niharam-boina tao amin’ilay fiara « mini-bus ». Ny fito tamin’izy ireo no samy voatery notazonina hanaraka fitsaboana ao amin’ny hôpitaly avokoa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra