Tranga samihafa

Vaky fasana Navantana eny Tsiafahy ireo fito lahy mpangalatra taolan-dava

Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo olona miisa valo mpikambana ao amin’ny tambajotran-jiolahy mpamaky fasana manodidina an’Antananarivo, afak’omaly. Nalefa mivantana any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny fito. Vehivavy iray kosa naiditra eny amin’ny fonjan’Antanimora.

I Manjakandriana, Andriampamaky, Talata Volo­nondry, Ambohimanga Rova, Tsiafahy, Andoharanofotsy, Ankadivoribe; Ambohibary ka hatrany Antsirabe no fantatra fa efa lasibatr’ireto mpamaky fasana ireto.

Niainga tamin’ny fisamborana olona roa tany Ambohibary-Manjakandriana, tamin’ ny 3 jona lasa teo, no nahafahan’ny zandarimaria any an-toerana nandrava an’ity fikambanan-jiolahy mpandroba fasana ity.

“Tamin’ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo no naneken’izy rehetra fa mpamaky fasana. Tsy nisy nety nilaza izay mpividy na mpandray ny taolan-dava alain’izy ireo ao anaty fasana kosa anefa izy rehetra”, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpanao famotorana.

Nilaza ihany koa ireo mpanao fanadihadiana fa “angom-baovao avy amin’ireo mponina tany amin’ireo toerana nolalovan’ireo olona roa tra-tehaka tamin’ny voalohany no niafara tamin’izao fisamborana ireo jiolahy marobe izao”.