Tapatapany Tranga samihafa

Rongony 55 kilao

Tra-tehaky ny polisy ao amin’ny Kaomisaria foibe any Toamasina, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, ny lehilahy iray nitondra rongony milanja 55 kilao. Nentiny tamin’ny Tuc tuc ireo zava-mahadomelina ireo. Avy any Morondava ireo rongony no tonga tao Toamasina tamin’ny taksiborosy.