Sosialy Tapatapany

Rano fisotro madio

Olona dimanjato sy roa arivo no hisitraka rano fisotro madio ao amin’ny fokontany Ankaraobato, kaominina Milenaky, distrika Toliara II raha afaka roa volana. Rano sivy metatra toratelo isan’ora no hakarin’ny paompy mandeha amin’ny masoandro. Siniben-drano 70 metatra toratelo kosa no apetraka miaraka amin’izao asa izao. Nidina ifotony nijery ireo fananganana fotodrafitrasa famatsiana rano fisotro madio tany an-toerana ny minisiteran’ny Angovo, ny Rano ary ny Akoranafo.