Raharaham-pirenena

Fizarana vola – fifidianana Lehiben’ny fokontany iray nosamborin’ny zandary sy polisy

Nanaovan’ny mpitandro filaminana tambabe ny fisamborana ny lehiben’ny fokontanin’ Ambalafary-Tsarahonenana any Befan­driana-Avaratra, tamin’ny marainan’ny 8 jona lasa teo. Voalaza fa nizara vola nandritra ny androm-pifi­dianana tamin’ny 27 mey lasa teo izy, ka nahazo baiko avy amin’ny manampahefana sivily any an-toerana ireo mpitandro filaminana hisambotra azy.

Tsy nanaiky mora ny fisamborana an’ity sefo fokontany ity ny mpomba ny kandidà depiote iray izay mitarika amin’ny vokatra vonjimaika any an-toerana, ka nikasa ny hanao fihetsike­tsehana. Nisy ny fakàna am-bavany an’io lehiben’ny fokontany io. Navotsotra izy taorian’izay. “Mba hitandrovana ny filaminana no anton’ny famotsorana an’ilay lehiben’ny fokontany araka ny baiko avy amin’ny Fitsa­rana”, hoy ny loharanom-baovao avy amin’ireo mpitandro filamminana any an-toerana.