Raharaham-pirenena

Fitrandrahana angovo Handefa iraka ho any Alemaina ny fitondrana malagasy

Hiara-hiasa akaiky. Nihaona manokana tamin’ny lehiben’ny fitondram-panjakana ao Alemaina Angela Merkel ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, taorian’ny fiatrehany ny fanamarihana ny fahazato taonan’ny vondrona iraisam-pirenena misahana ny asa (Oit) tany Genève, ny talata lasa teo. Fantatra fa hisy ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny fitondrana malagasy sy alemanina mikasika ny
fitrandrahana angovo, ny fiahiana ny tontolo iainana ary ny fampiroboroboana ny fampianarana eto amintsika.

« Taorian’io fihaonana io no nanapahako hevitra fa handefa solontena avy amin’ireo minisitera maromaro hanohy ny fifampidinihana any Alemaina momba ny fanatanterahana an’ireo fifanarahana ireo », hoy ny Filoha taorian’ity fihaonana ity. Isan’ireo firenena Eoropeanina manohana an’ireo tetikasa mifototra amin’ny fiahiana ny tontolo iainana i Alemaina. Voalaza fa naharesy lahatra an’ity firenena ity ny tetikasa « Madagasikara Nosy maitso » nampanantenain’ny Filoha malagasy.