Raharaham-pirenena Tapatapany

Fikirakirana voka-pifidianana

Vita avokoa ny fikirakiran’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) an’ireo voka-pifidianana avy any amin’ireo distrika miisa sivy ambin’ny folo amby zato eto Madagasikara. Tsy misy fihemorana intsony ny fanambaràna ny vokatra vonjimaika hatao amin’ny sabotsy ho avy izao etsy Alarobia. Mitohy ny fandraisana ireo fitoriana manodidina ny zotram-pifidianana eny anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana mandra-pahatongan’io andro io.

Misy hevitra iray

Tsindrio eo raha hamela hevitra

  • efa madiva ho vita ny asa izay nataon’ny ceni, ary hivoaka rahampitso ny valim-pifidianana vonjimaika, ny vahoaka no naneho ny safidiny , ka ny rehetra no tokony hanaiky izay vokatra mivoaka eo , ary hiroso amin’ny tena fampandrosoana an’ny madagasikara amin’izay isika