Sosialy

Fanamboaran-dalana Efa misokatra ho an’ny fifamoivoizana ny arabe Ankazomanga-Andraharo

Rehefa tapaka nandritra ny andro maro ny lalana teny Ankazomanga mihazo an’Andraharo mivoaka eny Ambohimanarina iny dia efa azo andehanan’ny fiara ny ilany roa mifanena, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Fandrakofana tara matevina sy fanamboarana ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra no natao teny an-toerana.

Na izany aza, tsy nampihena ny fitohanan’ny fifamoivoizana, indrindra amin’iny faritra Ankorondrano iny, ny fisokafan’
io arabe io indray.

Mitohy kosa ny asa fanamboaran-dalana etsy Ankazomanga mankany Antanimena, izay tapaka tanteraka ho an’ny fifamoivoizana, izay sady heverina ho fototry ny fitohanam-be tamin’ireo arabe manodidina sy mihazo an’Antanimena, omaly tontolo andro. Tombanana ho vita ao anatin’ny herinandro ity ampahan-dalana ity.