Tranga samihafa

Fanahiana hala-jaza Nisava trano iray teny Ambohibao ny zandary

Herinandro taorian’ny nahavery an’i Sitraky Ny Avo Ramarosandy, ankizilahy iray 11 taona, monina eny Ankadivory-Talatamaty no nahalalana fa mboka misitery ny antony nahafaty an’ilay zaza, rehefa hita tao amin’ny lakandranon’ Andriantany ny vatana mangatsiakany, ny marainan’ny 10 jona lasa teo. Nahitana ratra tamin’ny tarehiny sy ny lohany. Misy ny ahiahina hala-jaza na fakàna an-keriny. Trano iray teny Ambohibao no nosavain’ny zandary rehefa niely ny feo ny tamin’ny mety ho nanafenana an’ilay zaza tao, saingy tsy nahitana na inona na inona.

Niteraka savorovoro teny amin’ ny kaominina Talatamaty hatreny Ambohibao ny fahaverezan’io ankizy, 11 taona, io nanomboka tamin’ny 4 jona lasa teo. Nampiasa ny fomba maro mba hahitana azy ireo ray aman-dreniny saingy tsy nahitam-bokany.
Nandeha ny resaka ny amin’ny hoe nisy naka an-keriny, ka mitaky vola ireo jiolahy saingy tsy nisy porofo nahitan’
ny mpitandro filaminana izany. Niarahana tamin’ny fianakavian’ilay zaza mihitsy ny fisavana iry trano iry fa tsy nahitana mangirana.