Sosialy Tapatapany

Andron’ny Yoga

Efa maro ireo olona manatanteraka ny “Yoga”eto amintsika noho ny tombontsoa entiny amin’ny fahasalamana. Tahaka ny fanao isan-taona dia hatao eny amin’ny “Esplanade” Ankatso, amin’ny 21 jona ho avy izao, ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Yoga. Hiarahan’ny oniversiten’Antananarivo sy ny masoivohon’i Inde mikarakara ity hetsika hanasan’izy ireo ny mpianatra sy ireo rehetra liana amin’ny Yoga ity.