Sosialy Tapatapany

Vatsy Tsinjo

Nifarana ny fizarana ny fanampiana avy amin’ny Filohan’ ny Repoblika ho an’ireo sokajin’olona marefo na ny Vatsy Tsinjo, tany amin’ireo faritra telo nampiharana ny fihibohana, toa an’Analamanga, Matsiatra Ambony ary Atsinanana. Miisa 225 000 ny fitambaran’ny olona nisitraka an’izany teto amin’ny faritra Analamanga. Nahitana vary, menaka sy savony ary tsiasisa ireo fanampiana ireo. Ny olom-boafidy no nanankinana ny fizarana an’io Vatsy Tsinjo io.