Tonga tatsy amin’ny nosy Kaomôro, omaly, ny tambavy Covid-organics na CVO, fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny fiarovana sy fitsaboana ny valanaretina coronavirus. Ity firenena eto amin’ny ranomasimbe Indiana ity no firenena faha-18 nisitraka an’io tambavy io aty amin’ny Kaontinanta Afrikana, ankoatra an’ireo firenena dimy ambin’ny folo ao anatin’ny Vondrona ara-barotra iraisan’ireo firenena aty avaratra andrefan’i Afrika(CEDEAO).
I Tanzania sy Tchad no nahazo ny anjarany, tamin’ny herinandro lasa teo. Mahatratra an’aliny ireo fonosana tambavy Covid-organics nomen’i Madagasikara ho an’ireo firenena ireo, hatramin’izao.
Araka ny nambaran’Andrianjara Charles, tale jeneralin’ ny Ivon-toeram-pikarohana fanafody vita amin’ny zavamaniry eto Madagasikara (IMRA), dia « mitohy tsy tapaka ny famokarana ny tambavy CVO eto amintsika ». « Laharaham-pahamehana hatrany anefa, ny fizaràna ny tambavy ho an’ny Malagasy », hoy izy.
I Senegaly sy Ginea Bisao aloha, hatreto, no fantatra fa nanomboka ny fampiasana an’io tambavy io tamin’ireo mararin’ny coronavirus any aminy. Tsy misy kosa ny tatitra ofisialy momba ny vokatr’izany.
Nandritra ny tafatafa namaliany ny fanontanian’ireo mpanao gazetin’ny haino aman-jery vahiny France-24 sy ny RFI, afak’omaly tolakandro, kosa no nampahafantaran’ny Filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry fa: « ao anatin’ny dingana fahatelo eo amin’ny fanatsarana an’ity tambavy ity i Madagasikara, ankehitriny. An-dalam-pamolavolana ny ranom-panafody ho azo atsindrona izahay, amin’izao fotoana izao », hoy izy.
Hanome hevitra