Sosialy Tapatapany

Fiaraha-miasa

Fanampiana mitentina telo hetsy dôlara no natolotry ny orinasa Star sy ny Fondation Coca-cola hanampiana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka eo amin’ny lafiny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ ny reny sy ny zaza. Tobim-pahasalamana telo any Toliara, Maintirano ary Ikalamavony no hisitraka an’io tohana ara-bola io. Fitaovana fiarovana ny tsimok’aretina “Covid-19”, izay ilaina amin’ny asa aman-draharaha, toy ny aron-tava, aron’akanjo sy ny maro hafa no homena amin’ireo iantefan’ny fanampiana, mba hahafahana manatsara ny tolotra ara-pahasalamana azy ireo.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra

Loham-baovao