Hita tany AmpasimpotsyFenoarivo Atsinanana, tamin’ny 8 mey lasa teo, ny lehilahy iray nokarohin’ny zandary misahana ny heloka amin’ny tambajotrantserasera. Nanozona tamin’ ny alalan’ny filazana ny fahafatesan’ny Filohan’ny Repoblika tao amin’ny pejy « Facebook »-ny ity lehilahy ity.
Nanao ny fikarohana azy ireo mpanao famotorana, taorian’ny fivoahan’ilay ozona. Fantatra ny trano fonenany, tany AmpasimpotsyFenoarivo Atsinanana, nony taty aoriana. Nidinan’ireo zandary misahana ny heloka bevava tany Toamasina ny lehilahy ary voasambotra, teo akaikin’ny tranony ihany izy.
Hatolotra ny Fitsarana any Toamasina, anio, ity lehilahy ity raha tsy misy ny fiovana tampoka.
Hanome hevitra