Raharaham-pirenena Tapatapany

Fangaraharana ara-bola

Mitohy ny antso avo ataon’ireo firaisamonim-pirenena mivondrona ao anatin’ ny hetsika « Rohy » mikasika ny tokony hanaovan’ny governemanta tatitra ampahibemaso amin’ny fampiasambola samihafa amin’izao ady amin’ny valanaretina coronavirus izao. Fomba iray hahafahana mampihatra ny mangarahara izany, araka ny fanambaràna navoakan’izy ireo, afak’omaly. Misarika ny fanjakana amin’ny fampandraisana anjara azy ireo amin’ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana ihany koa ny hetsika « Rohy ».