Naiditra am-ponja vonjimaika, any AnkazondranoFianarantsoa ny « brigadier de police » iray sy serzà sefo iray ary lehilahy iray hafa, omaly. Vesatra efatra no niampangana azy ireo, dia fakàna an-keriny, fakàna vola anterisetra, fikambanan-jiolahy ary fanaovana vola sandoka. Nahitana vola sandoka tany amin’ny fiara nitondra an’itsy polisy itsy.
Andro vitsy lasa izay no nitrangan’ny fakàna olona an-terisetra, tany AnkifafaFianarantsoa. Lehilahy monina ao amin’io fokontany io no nisy naka an-keriny. Nitaky vola folo tapitrisa ariary tamin’ny vadiny ireo mpaka an-keriny, taorian’izay. Niantso ny fokonolona ny vadiny ka raikitra ny fikarohana. Ora vitsy taorian’izay no namotsorana an’ilay lehilahy. Nikaroka an’ireo nahavanon-doza ihany ny fokonolona na izany aza. Tratehaky ny iray tamin’ireo jiolahy. Hita tao anaty fiara nentiny ny vola rao alina ariary sandoka maromaro.
Nitonona ho polisy izy rehefa nanontaniana.
Tonga haingana ireo polisy namany marobe nandeha fiara tsy mataho-dalana. Nentin’izy ireo tany amin’ny Kaomisaria foibe ilay nilaza ho polisy io. Tsy nanaiky anefa ny havan’iry lasibatry ny fakàna an-keriny raha tsy any amin’ny Zandarimaria misahana ny heloka bevava, any Fianarantsoa, no nanaovana ny famotorana. Natolotra ny zandary ilay polisy sy ny serzà sefo iray sy ny lehilahy iray naman’izy ireo, ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika izao.
Hanome hevitra