Manohy ny fiandrasandraharaha, toy ny teo aloha, fotsiny ihany ireo mpitsara eo anivon’ny Fitsarana manokana misahana ny kolikoly (PAC). « Na misy aza ny fanamaivanana ny fepetra fihibohana dia tsy mbola mitsara raharaha goavana izahay », hoy Razafindrakoto Solofohery, Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ny PAC, tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity.
Ny maraina manomboka amin’ny valo ka hatramin’ny 11 ora antoandro no misokatra ny fFitsarana manokana, etsy 67Ha. « Ireo fangatahana fahafahana vonjimaika foana aloha no raisina sy hanapahana hevitra. Miandry amin’ny fotoana hafa mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny ny tohin’ny raharaha », hoy hatrany io Tonia mpampanoa lalàna io.
Maro ireo raharaha tokony hotsarain’ny PAC, amin’izay fotoana izao. Isan’izany ireo fitorohana avy amin’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (BIANCO).
Hanome hevitra