Tranga samihafa

Fiparitahan’ny fitaovampiadina Tra-tehaka ireo basy mahery vaika efatra amby telopolo

Basy “Kalachnikov” miisa roa ambin’ny folo ary “MAS 36” roa amby roapolo no tra-tehak’ireo zandary avy ao Ambatofinandrahana tato anatin’ny volana vitsy izay. Vao tamin’ny herinandro lasa teo no nisy basy “kalachnikov” miisa telo hita tany amin’ny olona roa. Naiditra am-ponja vonjaimaika ireo olona ireo.

Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ireo zandary any Ambatofinandrahana momba ny ady amin’ny fiparitahan’ ny fitaovam-piadiana. “Ireo basy ireo no entin’ireo dahalo miady amin’ny mpitandro filaminana nandritra ny taona maro. Tsy vitsy ireo zandary no efa namoy ny ainy taty aminay. Mbola misy ireo basy any am-pelan-tanan’ireo jiolahy ary manohy hatrany ny fikarohana an’ireny izahay”, hoy ny fanazavana avy amin’ireo zandary any Ambatofinandrahana.