Tapatapany Tranga samihafa

Famotehana fananana

Any amin’ny fonjan’i Fianarantsoa no nalefa vonjimaika ireo olona miisa sivy nosamborin’ny mpitandro filaminana tany Benetsy-Ankilimaniliky, tamin’ny 9 mey lasa teo. Tamin’ny faran’ny herinandro teo izy ireo no natolotra ny Fitsarana rehefa voampanga ho nandroba sy namotika ny fananan’ny orinasa Base Toliara.