Raharaham-pirenena Tapatapany

Fandraisana vahiny

Nihaona manokana tamin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rakotovao Rivo, tetsy amin’ny lapan’Anosikely i Khatuna Totladze, minisitra lefitry ny Raharaham-bahinin’ny governemantan’ny Georgie, omaly. Nifototra amin’ny fahavononan’ity firenena ity hametraka ny masoivohony eto amintsika ny fifampidinihana teo amin’ny roa tonta. Teo ihany koa ny resaka mikasika ny fifampiraharahana ara-toekarena amin’i Madagasikara.