Sosialy

Andron’ny fahasalamana Nifanotofana ny fitiliana diabeta sy VIH/Sida teny Antsonjombe

Olona maro no tonga nanatrika ny andron’ny Fahasalamana, teny Antsonjombe, omaly. Saika nahavory olona maro avokoa ireo tranoheva rehetra teny an-toerana, indrindra ireo nanaovana fitiliana maimaim-poana ho an’ny diabeta sy ny tsimok’aretina VIH/Sida. Nahitana karazan’olona maro, tanora sy olon-dehibe teny an-toerana nanao ny fitiliana. Nilaharana be avokoa teo amin’ny fanaovana fitiliana. Nisy aza ireo nanao ny fitiliana ireo karazan’aretina roa sitrany hahay tsy miala vola.

Fiarabe roa no nandray ireo vonona hanao ny fitiliana ny tahan’ny siramamy miaraka amin’ny haavon’ ny tosi-dra. Marihina fa lohahevitra nosafidian’ny minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka tamin’ity taona ity ny hoe: “ Tolotra fahasalamana ho an’ny daholobe”, izay nanaovan’ny fanjakana ezaka manokana hanatsarana ireo tolotra omen’ny tobim-pahasalamana ny daholobe. Tonga nanatrika ny fotoana ihany koa ireo mpiara-miasa maro be rehetra amin’ny minisitera momba ny lafiny fahasalamana.