Raharaham-pirenena Tapatapany

Andraikitry ny governora

Tsy nety nilaza mazava ny heviny momba ny fahefana sy ny andraikitra hiantsorohan’ireo governora ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Razafimahefa Tianarivelo, omaly. Nambarany fotsiny fa samy manana ny andraikitra nomena azy ireo governora ireo. Tsy nety namaly ny resa-be manoloana ny baiko nataon’ny governoran’ny faritra Vatovavy Fitovinany amin’ny fanaovana kravaty sy akanjo mihaja ihany koa ny minisitra.