Fanatanjahantena

Motocross – « 4 heures honda » Hankalazaina amin’ny fomba miavaka ny faha-20 taona

Hotanterahina eny amin’ny toeram-pihazakazahan’Imerintsiatosika, amin’ny alahady 17 marsa ho avy izao, ny fifaninanana fanao isan-taona eo amin’ny fanamoriana motocross mitaky lazon’ady na
ny “4 heures Honda”. “Mananika ny andiany faha-20 ity hetsika ity ary hankalazaina amin’ny fomba miavaka ny faha-20 taona nisiany”, araka ny nambaran’i Alain Hivre, talen’ny sampana moto eo anivon’ny Madauto, omaly teny Andraharo.

Isan’ny hampiavaka izany ny fisian’ireo tranoheva hampisehoana an’ireo karazana moto eny an-toerana. “Hisy ihany koa fifidianana vehivavy tsara indrindra na “Miss Honda” sy ireo fampisehoana ataon’ireo mpanakanto malaza toa an-dry Iraimbilanja sy Kiaka sy ireo maro hafa”, hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity.

I Mathias Plantive sy Lucas Robert (teratany renioney) no hisolo tena ny mpikarakara amin’ny karazana moto Honda CRF 450. I Claudio Tida sy Pascal Dorseuil (renioney) kosa no hisolo tena azy ireo eo amin’ny karazana moto KTM SX-F 350. “Hiezaka izahay ny tsy hampitsanga-menatra ny orinasa soloinay tena amin’ity hetsika andiany faha-20 ity”, hoy i Claudio Tida, imbetsaka nisalotra ny anaram-boninahitra tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity. Hozaraina sokajy telo ambin’ny folo ireo mpandray anjara amin’ity hetsika ity.