Sosialy

Toetr’andro – Hitondra orana betsaka ilay rivo-doza « Francisco »

Manatona ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ny  ambin-drahona navelan’ilay andro ratsy  “Francisco”.  Tany amin’ny 500km atsinanan’i Brickaville no nisy ny foibeny, omaly tamin’ny 12 ora antoandro.

Mikisaka miankandrefana hatrany izy ka miha manatona  an’i Madagasikara. Amin’ny zoma izy no hahakasika ny morontsiraka atsinanana sy ny afovoan-tany. “ Hanakorontana ny toetrandro amin’ireo faritra ireo ity rivo-doza ity. Amin’ny sabotsy izy no tombanana hiditra an-tanety”, araka ny vinavinan’ny teknisian’ny sampana mpamantatra ny toetrandro, omaly.

Hitondra rotsak’orana betsaka i Francisco . Ahiana ny hisian’ny tondra-drano. Faritra maro no efa nahazo fampitandremana sy filazana loza mikasika ny habetsahan’ny orana.  Nahazo fampitandremana miloko mavo ny any Brickaville, Mahanoro, Vatomandry, Antanambao Manampotsy, Nosy Varika, Mananjary, Manakara ary Vohipeno. Miloko maintso kosa ny fampitandremana  ho an’ny eto Antananarivo renivohitra, Antananarivo Atsimondrano sy Avaradrano, Andramasina, Ambatolampy , Antanifotsy, Antsirabe , Fandriana, Ambositra, Manandriana ary Ambohimahasoa.