Kolontsaina

Fetin’ny mpifankatia Hanolotra amboaram-boninkazo i Olombelo Ricky

Manolotra fampisehoana ho an’ny fetin’ny mpifankatia etsy amin’ny T-Green Andraharo i Olombelo Ricky, rahampitso. Hiavaka amin’ny seho izay nahafantarana an’ity mpanakanto ity io fotoana io. Hirona kokoa amin’ireo hira maneho ny karazam-pitiavana samihafa ny fihaonana izay nampitondrainy ilay tononkirany hoe « Fitiavanao… fitiavako ihany…Izay tsy misy any aminao mba misy any amiko any ».

Hilaza fifamenoana sy fifampitsinjovana ny fety. Tsy hiaka-tsehatra irery anefa ity andrarezin’ny mozika malagasy ity fa toy ny fanaony, hisy ny fanasana mpanakanto matihanina sy kalaza maro hanafana ny hetsika, amin’io fotoana io, saingy mbola tsy voafaritra izay mety ho vahiny hatreto.  Feno 40 taona ny nilomanosan’i Olombelo Ricky tao anatin’ny mozika nankalazaina tamin’ny taon-dasa.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra