Tranga samihafa

Fanafihana teny Itaosy Voatazon’ny zandary ireo telo vavy tao amin’ny fivarotana voaroba

Mitohy ny fanadihadiana momba ny fanafihana « cash point Airtel », teny amin’ny Cité Itaosy, tamin’ny alatsinainy lasa teo. Voatazona sy atao andrimaso eny amin’ny Borigadin’ny zandarimaria, eny Itaosy, ny vehivavy telo tao amin’ilay fivarotana voaroba.

Noho ny famotorana no antony itazonana azy ireo, araka ny fanazavana avy amin’ny mpanao famotorana. Tsy mbola nisy kosa ny olona voasambotra. Mitohy ny fikarohana an’ireo olon-dratsy.

Naverina, afak’omaly maraina, ny fomba fisehon’ilay fanafihana toerana fikirakirana vola. Nasaina nanao izany ireo mpiasa nahita sy niharan’ny fandrobana. Nentina teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ka notazonina avy hatrany izy ireo, taorian’izay. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.