Tranga samihafa

Fifandirana nahafaty Novonoin’ilay rangahy tamin’ny hazo ny vadiny

Hita faty tao amin’ny alana lavanila iray tany Menara-Ambahoabe any Soanierana Ivongo ny vatana efa potipotika an’ny vehivavy iray, andro vitsy lasa izay. Tamin’ny faran’ny taona lasa teo no nahitana farany ilay vehivavy. Nanomboka nana­dihady ny vadiny ireo mpiara-monina tamin’izy ireo, ka taorian’izay no nampivoaka ny marina.
“Nitantara ny vadin’ilay vehivavy fa novelesiny tamin’ny hazo teo amin’ny hatony io vadiny io, ka tsy nahatsiaro tena avy hatrany. Nisy fifandirana teo amin’izy mivady tamin’izay. Rehefa tsy nahatsiaro ilay vehivavy dia mbola nodakany. Tsy tao an-trano no nanaovany an’io fihetsika io fa tany anaty alana lavanilan’izy mivady ihany. Izy ihany no nandeviina ilay razana rehefa azony antoka fa maty ny vadiny”, hoy ny mpitandro filaminana any Soanierana Ivongo. Efa nai­ditra am-ponja vonjimaika io lehilahy nahavanon-doza io.