Fanatanjahantena

Basket-ball amboaran’I Afrika Hody tsy misy medaly ireo mpilalao malagasy

Hiverina an-tanindra­zana tsy miaraka amin’ny medaly ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja basket-ball lalaovin’olona telo, taorian’ny fahombiazana Lalao Afrikana 2019 farany teo. Laharana fahe­fatra no nisy an’i Madaga­sikara, afak’omaly, tany amin’ny fiadiana ny amboa­ran’i Afrika, tany Kampala (Oganda).

Nihintsana teo amin’ny lalao manasa-dalana izy ireo. Nailik’ireo mpilalao ejipsiana tamin’ny isa 21 noho 11 ny ekipa malagasy, nefa tsy nahomby ihany koa tamin’ny lalao fiadian-toe­rana ho laharana fahatelo. Niady ny medaly alimo tamin’i Mali hatramin’ny segaondra farany ireo mpilalao malagasy mba hanarenana ny faharesena tamin’i Ejipta, saingy niondrika tamin’ny isa 19 noho 17.

Sendra R.