Tranga samihafa

Mpitetitety tanàna Sarona ireo olona dimy mpisoloky mpanao “cash point”

Vosambotry ny zandary ireto olona dimy, vehivavy iray sy lehilahy efatra, noho ny fisolokiana olona mpanao “cash point”, tany Ihazolava Ambatolampy, tamin’ny zoma lasa teo. Fantatra fa efa nandalo toerana hafa izy ireo, mialoha ny nahatongavana tany Ambatolampy. Nanomboka hatrany Ambatofotsy sy Behenjy no nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny saingy teo Ihazolava no nahazoan’izy ireo vola. Voatazon’ny zandary izy dimy ireo. Nogiazana ihany koa ny fiara nampiasainy.

Niainga tamin’ny fahitana vola very ny fisolokiana nataon’ireto andian’olona. Nanaraka ny toromarika nataon’izy ireo amin’ny fomba fampirimana vola ny lehilahy iray nivarotra tamina “cash point”. Lasan’ireo mpisoloky ny vola 780 000 ariary tany amin’ilay mpivarotra. Nandeha fiara nandositra nianatsimo ireo olon-dratsy. Nampandrenesina haingana ny zandary. Voasakana ny fiara ka mbola tratra tao anatiny ireo mpisoloky, 17 taona hatramin’ny 26 taona, izay mipetraka eny Anosizato sy 67 Ha.