Tranga samihafa

Fitsoahana loza Fiara nandositra tetsy Alarobia

Nirifatra nandositra ny fiara tsy mataho-dalana iray nahadona sy nandratra tovolahy iray, iraika amby roapolo taona, teny Alarobia, afak’omaly antoandro. Tsy mbola tratra io fiara io, hatramin’ny omaly tolakandro. Tsy nahatsiaro tena mihitsy iry lasibatra noho ny dona mafy nahazo azy. Namonjy azy haingana sady nitondra azy tamin’ny fiara nankany amin’ny hopitaly ny polisy niasa teo amin’ny manodidina.

“Tsy voaray ny laharan’ny fiara nandona. Mitondra laharana vahiny izy ary miloko manga. Ilay naratra kosa efa nanomboka nahatsiaro tena, tamin’ny fotoana nitondrana azy tany amin’ny toeram-pitsaboana”, hoy ny polisy.