Sosialy

Fifidianana loholona Miandry farany ny lisitra kandidà eto Antananarivo

Faritany efatra amin’ireo enina no efa naharaisan’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana (Ceni) antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho loholona, hatramin’ny, omaly tolakandro. Tsy maintsy ho fantatra, anio hatramin’ny 5 ora hariva, anefa ny lisitra kandidà amin’ireo faritany roa ambiny, dia ny eto Antananarivo sy any Antsiranana, hoy Rakotondrazaka Fano, mpampaka-tenin’ny Ceni, omaly. Kandidà avy amin’ny vovonana politika Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) sy ny IRD ary ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM) ihany hatreto no nandrotsaka kandidà tamin’ireo faritany efatra hiatrika an’io fifidianana amin’ny 11 desambra ho avy izao io.  Tafapetraka, omaly, ny firotsahan-kofidian’ireo kandida Irmar ao Toliara, tarihin’ny depiote Rakotomamonjy Nepatraiky. I Manasoa Donah Tang kosa no lohalisitry ny IRD ao Toamasina, izay mba nahitana lisitra mpifaninana, amin’ny alalan’ny antoko MMM. Nambaran-dRamaroson Laurent, mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny MMM fa : « navela halalaka amin’ny heviny na hirotsaka na tsia na hiara-dia amin’ny fitondrana ireo mpikambana ao amin’ny antoko ».

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra