Kolontsaina

Fiarovana vakoka Vita ny fanarenana ny lapan’ ny Fitsarana Ambatondrafandrana

Miverina amin’ny endriny teo aloha ilay lapan’ny Fitsarana tamin’ny andron’ny Mpanjaka Ranavalona II, dia ny Fitsarana Ambatondrafandrana, eny amin’ny faritra Andohalo. Amin’ny maha vakoka an’ity toerana ity no nandraisan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny asa fanamboarana teny an-toerana, izay nofaranana, tamin’ny herinandro lasa teo. Fantatra fa azo tsidihina, manomboka izao, ity toerana ity. Hisy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana amin’ny fiambenana an’io vako-pirenena io.

Tamin’ny taona 1881 no naorin’ny mpahay taotrano anglisy, James Parret, ny Fitsarana Ambatondrafandrana. Teo amin’io toerana io ireo mpanjaka nifandimby no nanao ny fitsarana, tamin’izany andro izany, ankoatra ny fitsarana tany Ambohimanga. Tamin’ny taona 1978 kosa no voasoratra tao anatin’ny lisitr’ireo vako-pirenena izy. Nasiam-panavaozana avokoa ireo valin-drihana sy ireo pitsopitsony rehetra mba nahafahana nahazo ny endriny fahiny. Tamin’ny alalan’ny tetibolan’ny minisitera no nanatanterahana ny asa fanatsarana. Nanamafy ny minisitra Andriatongarivo Lalatiana fa tsy maintsy hamboarina avokoa ireo vakoka rehetra manerana an’i Madagasikara, izay tafiditra ao anatin’ny politikan’ny minisitera.