Raharaham-pirenena

Fianianan’ny PAC

Hotanterahina, anio maraina, eny amin’ny Fitsarana tampony ny fianianan’ny filohan’ny Fitsarana mpamoaka didy eo anivon’ny Fitsarana misahana ny kolikoly (PAC), ao amin’ny faritanin’i Mahajanga, Randriamahazo Patricia Arisoa. Hanatontosa ny fianianany etsy Anosikely miaraka aminy koa i Ranorine, Tonia mpampanoa lalàna ao amin’ity rantsam-pitsarana misahana ny kolikoly ao Mahajanga ity.