Sosialy

Fanampiana vehivavy

Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny vovonantserasera antsoina hoe vehivavy 50 tapitrisa mandray fitenenana ho an’ny teto Madagasikara, tamin’ny zoma lasa teo, ny minisitry ny Mponina, fiahiana ara-tsosialy ary fampivoarana ny vehivavy, Michelle Bavy Angelica. Sehatra entina hanampiana ny vehivavy ho tonga amin’ny fizakan-tena ara-toekarena sy amin’ny fomba maoderina ary mivoatra kokoa izy io. Tombony ho an’ireo mpikambana ao ny fahafahana mampiranty, mampahafantatra ny haitao, mampivelatra ny tsena, ny fahaiza-manao sy ny traikefa amin’ny lafiny varotra miaraka amin’ireo vehivavy afrikanina eo anivon’ny faritra Comesa.