Sosialy

Fanampiana ny mpianatra Manao hetsika fanangonam-boky ny minisitera

Mitohy ny ezaka fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ataon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ka anisan’izany ny fanangonam-boky ho fanampiana ireo mpianatra amin’ny Sekoly ambaratonga fototra na EPP sady hitarihana ny zaza malagasy ho tia vaky boky. Natomboka, tamin’ny sabotsy lasa teo, ny fanangonana boky, amin’ny alalan’ny tetikasa «Samy mamaky boky», andiany voalohany. Toeram-pampianarana enina no nisantarana azy: EPP Analamihitsy, CEG Andranonahoatra, lisea J.J Rabearivelo, CEG Antanimena, CEG Antanimbarinandriana, Lisea Maoderina Ampefiloha. « Hovitaina mialoha ny fidiran’ny mpianatra izao hetsika izao. Hisy ny toerana hanangonana an’ireo boky, toy ny eny amin’ny minisitera (isan’andro), ankoatra ireo toerana hafa. Hisy fampahafantarana mialoha ny daty sy ny toerana hahafahana manatanteraka izany », hoy ny minisitra, Dr Sahondrarimalala Marie Michelle, izay tonga nitondra ny boky avy any aminy niaraka tamin’ireo ekipany, tetsy amin’ny CEG Antanimena.