Tranga samihafa

Famoahana sary mamoafady Mbola misy olona hafa karohin’ny zandary

Mitohy ny fanadihadiana mikasika ilay raharaha famoahana sary mamoafady tao amin’ny tambajotran-tserasera Facebook. Fantatra fa mbola misy olona hafa voasaringotra amin’ity raharaha ity, ka hanaovana fikarohana. Tsy maintsy hatolotra ny Fitsarana kosa ny valin’ny famotorana, aorian’izay.

Ny alin’ny zoma 9 oktobra nikarohana azy ihany no nahatrarana an’ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fanaovana fihetsika mamoafady niaraka tamina ankizilahy tsy ampy taona, izay navoaka sary sy horonantsary tao amin’ny tambajotrantserasera Facebook. “Teny Iavoloha no nahatrarana an’ilay lehilahy, tamin’ny zoma alina lasa teo. Mpiara-monina aminy ihany ilay ankizilahy nanaovany fihetsika mamoafady. Nohenoina ihany koa io zaza io noho ny zava-dratsy nihatra taminy”, araka ny fanazavana fohy nomen’ny zandary mpanao famotorana.

Efa fotoran’ny zandary etsy amin’ny sampan-draharaha misahana ny fandikan-dalàna amin’ny aterineto na “cybercriminalité”, etsy amin’ny Toby Ratsimandrava izy.