Tapatapany Tranga samihafa

Fahatrarana mpanendaka

Nenjehin’ny mpitondra môtô iray ny lehilahy nanendaka azy teny Soarano, afak’omaly antoandro. Tratrany tsy lavitra teo iry jiolahy ka nodarohany. Soa fa tonga haingana naka an’ity olon-dratsy teny an-toerana ny polisy.