Sosialy

Antso fahalinana momba ny fitaterana Nahazoana dosie telo ny zotra Tsarasaotra-Ivato

Maro ireo namaly ny antso fahalinan’ny minisiteran’ny Fitaterana, fizahantany ary famantarana ny toetrandro mikasika fanokafana zotra fitateram-bahoaka mailaka mampitohy an’i Talatamaty-Ivato-Ivandry mihazo ny lalam-baovao Tsarasaotra. Antontan-taratasy telo no voafantina, taorian’ny fiafaran’ny fandraisana ny fangatahana tamin’ny 28 septambra lasa teo.  Dingana manaraka ny fanivanana an’izay dosie iray hahazo ny tsena.

« Tombanana hisokatra, amin’ny volana desambra ho avy izao, ity zotra ity », hoy Ramiandrasoa Stéphanie, talen’ny fitaterana an-tanety eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana. Tsiahivina fa telo taona ny fifanarahana ary azo havaozina ho an’izay nahazo ny tolo-bidy amin’ity fitaterana ity.

Hampahalalaka ny lalana amin’iny faritra Ambohibao iny ny fisokafan’io zotra vaovao io. Fantatra fa tsy natokana ho an’ny olona miala na hihazo ny seranam-piaramanidina ihany ireo fiara mpitatitra hiasa  amin’izany fa ho an’ny mpandeha rehetra mifamezivezy amin’ireo faritra voatanisa etsy ambony ireo.