Tapatapany Tranga samihafa

Ankizy mpamaky trano

Tsy ampy taona ny roa tamin’ireo tovolahy efatra voasambotry ny polisin’ ny UIR tany Antsirabe, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Voatondro ho mpamaky trano izy efa-dahy ireo. Tra-tehaka ihany koa ny vehivavy iray mpandray ny entana halatra. Tafaverina amin’ ny tompony ny ampahany amin’ireo entana very.