Kolontsaina

Zavakanto an-tanàn-dehibe Ambohipihaonan’ny kanto marolafy ny “Attent’Art”

Hotanterahina any Antsirabe ny 19 hatramin’ny 27 oktobra ho avy izao ny sehatra ara-javakanto “Attent’Art”, andiany fahenina. Toy ny isan-taona, enti-maneho ny zavakanto an-tanàn-dehibe sy fotoana iray ihaonan’ireo mpikolo ity karazan-javakanto ity, avy eto an-toerana sy avy any ivelany.

“Zavakanto enti-mampandroso sy manabe ho tombontsoa ho an’ny daholobe” no lohahevittra hiompanan’ny sehatra amin’izao andiany manaraka izao.Ho tazana mandritra ny roa herinandro hanaovana ny hetsika ireo singa maneho ny endrika zavakanto an-tanàn-dehibe. Hisongadina ao ny hosodoko, mozika, kisarisary, saripika, dihy ary ny sary sokitra. Hifarimbonana mpanan-talenta marolafy, araka izany, ny fandaharanasa rehetra. Toerana sy foibe maromaro no handray ireo fampirantiana, fampisehoana, fandefasana horonantsary, atrikasa arahina famoronana… izay tafiditra ao anatin’ny “Attent’Art”, any Antsirabe.

Raha ny fandaharam-potoana dia ao amin’ ny ivon-kolo Is’Art Galerie etsy Ampasanimalo, amin’ny 31 oktobra no hanaovana ny lanonana famaranana ny hetsika.