Kolontsaina

Fankalazana goavana Feno 16 taona nitoriana Filazantsara ny « Ampifitia »

Antom-pisian’ny Antoko mpihira fifohazana Isotry Fitiavana (Ampifitia) ny fitoriana ny Filazantsara. Mankalaza ny faha-6 taonany amin’ity 2019 ity izay ireo. Seho goavana izay hatao etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina Mahamasina, amin’ny 20 oktobra izao, no hoentin’izy ireo hanomezana voninahitra an’ Andriamanitra noho io fitsingerenan’ny taona niforonan’ny tarika io.

Toy ny nahalalana azy hatramin’izay, dia ho goavana ity fampisehoana an-dampihazo ity. Isan’ny nampalaza ny Ampifitia ny hira « Ampy izay », « Valin-teny », « Tokim-panompoana », izay ho tafiditra ao anatin’ny fandaharan-kira amin’io fotoana io. Tamin’ny taona 2003 no niforona ny tarika. Ankehitriny mivoatra nanaraka ny vanim-potoana izy ireo ary tsy mitsaha-mitombo ireo mpankafy azy. Isan’ny tsangambato goavana izay manamarika ny Ampifitia ny fananganana trano fiangonana, teny Antohibe Ambohidratrimo nentina nanamarihina ny faha-5 taona. Mbola mitohy hatrany ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ataon’ny Ampifitia. Santatra ihany ity amin’ny 20 oktobra ity fa maro ireo lanonana izay hahafahan’ny mpankafy miaraka midera amin’ izy ireo.

Volasoa R