Samihafa

ATLETISMA Nofoanana ny « Marathon International »

Voatery nofoanana ny andiany 2018 amin’ny fifaninanana hazakazaka lavitr’ezaka, “Marathon international de Madagascar”, tokony hatao amin’ny 20 – 21 oktobra ho avy izao. «Noho ny fisian’ny fifidianana sy ny fampielezan- kevitra sy ny fahavitsian’ ireo mpandray anjara dia nandray fanapahan-kevitra izahay hanafoana izany hetsika izany, amin’ity taona ity. Miomana sahady kosa anefa izahay ho an’ny andiany manaraka, amin’ ny taona ho avy », araka ny fanambaràna navoakan’ny mpikarakara. « Na izany aza anefa dia hisy ny hazakazaka hokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny taranja atletisma (FMA) atsy ho atsy », araka ny voalaza hatrany.

Isan’ireo nanafoana ny hetsika tokony hokara- karainy ihany koa, vokatry ny fifanindriana eo amin’ ny fandaharam-potoanan’ ny fifidianana ny klioba Asa Tana, izay nihevitra ny hamita ny dingana fahenina farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny hazakaza-piarakodia sokajy rallye.