Tapatapany Tranga samihafa

Fahatrarana fitaovam-piadiana

Basy vita tanana miisa telo no saron’ny polisy tany Sambava, tamin’ny volana jolay sy aogositra ary tamin’ny zoma lasa teo. « Revolver » ny roa tamin’ireo basy ireo. Basim-borona ny iray. Samy efa voatazona am-ponja ny olona telo voasambotra sy voarohirohy tamin’ireo fahatrarana fitaovam-piadiana vita tanana ireo.