Samihafa Tapatapany

Valim-panadinana BEPC

Tafakatra 86,93% taham-pahafahana tamin’ny fanadinana Bepc tany amin’ny Cisco Morondava, Dren Menabe, tamin’ity taona ity. Omaly no namoahana io valim-panadinana io ho an’ity Cisco ity. Azo jerena amin’ny fandefasana hafatra amin’ny laharana 601 amin’ny tambajotra Orange izany ho an’ireo mpiadina tsy any an-toerana. Miisa roa amby roa­polo ireo Cisco efa namoaka ny valim-panadinana, raha ny tatitra avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Hiara-hivoaka kosa izany ho an’ny eto Antananarivo renivohitra fa tsy atao tsikelikely. Hiandry ny naotin’ny mpianatra amin’ny adina ara-panatanjahantena kosa izany satria mitokana ny fampidirana ity naoty ity, raha ny fanazavana.

Hanome hevitra

Tsindrio eo raha hamela hevitra