Tranga samihafa

Poa-basy nirefodrefotra teny Anosibe Olona telo voalaza fa jiolahy maty voatifitry ny pôlisy

Tsy an-kitsitsy. Nifanehitra indray ny pôlisy sy ny andian’olona voalaza fa jiolahy, teny Anosibe, omaly hariva. Namoy ny ainy teo no ho eo ny telo lahy voatifitr’ireo pôlisy avy amin’ny Sag. Tafaporitsaka ny naman’izy ireo lehilahy iray hafa ary azo sambo-belona kosa ny vehivavy iray.

“Nandeha fiara marika Renault Trafic ireo jiolahy ireo ary narahina nanomboka teny Anosy rehefa nahazoam- baovao fa mikasa ny hanao fanafihana mitam-piadiana. Rehefa tonga teo akaikin’ ny Motel Anosy na Solimotel teo aloha izy ireo dia nitifitra vao nahita fa misy pôlisy manaraka avy aoriana. Voatery niaro tena ireo mpitandro filaminana ka raikitra ny fifampitifirana, ka lavo teo ny telo lahy tamin’izy ireo. Tratra taorian’izay ny basy kalachnikov iray sy poleta iray feno bala”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Pôlisim-pirenena taorian’ity tranga omaly ity.