Samihafa

HÔPITALY BEFELATANANA Miverina ny fandraisana ny marary ao amin’ny Sampana vonjy taitra

Hiverina ny fandraisana marary ao amin’ny Sampana vonjy taitra ao amin’ny hôpitaly Joseph Raseta Befelatanana (CHUHJRB) raha nisy fiatoana kely izany.

“Tsy niato tanteraka ny fandraisana ny marary teto saingy nihena ny taham-pahatongavana. Raha nandray zato isan’andro, ohatra, dia lasa dimampolo sisa izany. Efa mandeha tsikelikely ny fandraisana marary rehetra amin’izao fotoana izao. Efa vonona daholo ny mpitsabo rehetra mandray an-tanana ireo marary. Tokony ho tamin’ny alatsinainy lasa teo no niverina nisokatra ity
sampan-draharaha ity saingy noho ny fofon-doko mbola mahery dia rahampitso (Ndrl: anio) no hisokatra ara-dalàna izany”, araka ny fanazavan’ny talen’ny hôpitaly Befelatanana, profesora Randria Mamy.

Raha tsiahivina dia nanom­boka ny 30 aogositra ity fampiatoana vonjimaika ity hatramin’ny 6 septambra lasa teo noho ny fanavaozana sy fanatsarana ny sampana vonjy taitra eo anivon’ity hôpitaly ity.

Nanamafy kosa ny talen’ ny hôpitaly Befelatanana, fa ilay sampana vonjy taitra nasiam-panavaozana ihany aloha no efa vita fa ilay vaovao amin’ny zoma vao vita ny fanamboarana azy. Rehefa vita ity sampana vonjy taitra vaovao ity miaraka amin’ ilay nohavaozina dia hahazaka marary hatramin’ny telopolo ny toerana.

Nanambara kosa ny mpi­tsabo ao amin’ity sampana vonjy taitra ity fa ireo tena marary tsy afaka angatahana andro dia noraisina ihany noho ny fisian’ny tranolay izay afaka nandraisana azy ireo.