Raharaham-pirenena Tapatapany

Hanamarina ny asany

Anio maraina no hitondra fanazavana mano- didina ny nandrafetana ny lisi-pifidianana ireo mpikambana eo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Noho ny voalaza fa fanakianana samihafa nitoetra teo amin’ireo dingana samihafa hatrany amin’ ny fitsinjarana an’izany manerana an’ireo fokon- tany samihafa manerana an’i Madagasikara no hisongadina amin’ity fanazavana hataon’ ny Ceni ity. Tonga eto an-toerana manara-maso akaiky ny fanamarinana an’io lisitra io ireo manam-pahaizana manokana avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.