Samihafa Tapatapany

Fitiliana maimaim-poana

Hanatanteraka fitiliana maimaim-poana ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro mody. Ny sabotsy 15 septambra ho avy izao no hanatanterahana izany mandritra ny tontolo andro ao amin’ny Foibe Fenomanana Mahazoarivo. Hojerena ao anatin’ity hetsika ity ny momba ny fikorontanan-tsaina na ny Alzheimer, ny diabeta sy ny tosi-dra. Ireo aretina roa farany ireo dia anisan’ny mitarika amin’ny aretina fikorontanan-tsaina raha tsy voaara-maso sy tsy voatsabo tsara ny aretina. Tsara ny misoroka ny aretina ary tsy tokony hiandry ela voa manao fitiliana, raha ny nambaran’ny mpitsabo.