Samihafa

FIAROVANA TOMBONTSOA Hanatanteraka fivoriam-be ny mpikambana ao amin’ny FTAR

Hanatanteraka fivoriam-be ny Fikambanana taksy Antananarivo renivohitra na FTAR. Hihaona etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano izy ireo rahampitso, manomboka amin’ny 1 ora sasany.
Efa fanaon’ny FTAR ity fivoriam-be ity mba hisian’ny fihaonana eo amin’ny taksy rehetra eto Antananarivo. “Teo amin’ny roa taona teo no nisian’ity fikambanana ity. Tao anatin’ izay fotoana izay dia betsaka ny zavatra hita sy ny ezaka vita. Raha ny tsapa anefa dia mbola maro ny ezaka tokony hatao ka ao anatin’ity fivoriam-be ity no hamaritra miaraka ny fijerena ny vahaolana maharitra amin’ity olan’ny fiarakaretsaka eto Antananarivo renivohitra ity. Efa noentina ihany ny olana teo anatrehan’ny mpitantana ny tanànan’Antananarivo saingy tsy nisy ny vahaolana amin’ny aretina mikiky ny asan’ny taksy amin’izao fotoana izao”, raha ny fanazavan-dRaharinirina Clémence, filohan’ny FTAR.

Tafiditra ao anatin’izany ny ady amin’ny OMAVET sy ny fampidinana ny sandan’ny fiantsonana izay tafakatra avo telo heny ary ady amin’ireo mpijirika. “Misy ny ezaka ataon’ny fikambanana fa mbola betsaka ny zavatra tokony hatao, ka izay no antony hampanantsoana ny mpikambana ho tonga amin’ity fivoriam-be ity. Mila vahana ireo olana rehetra mianjady amin’ny taksy ireo izay miantraika amin’ny asa fitaterana. Hijery miaraka ny ho avin’ny taksy izahay”, hoy hatrany izy. Efa tomombana avokoa ny fanomanana rehetra na ny fahazoana alalana izany na ny fandriampahalemana. Hiakatra Fitsarana, anio kosa ilay raharaha eo amin’ny hôtely Sakamanga eny Antsahavola sy ny FTAR. Raha tsiahivina dia raharaha toeram-piantsonana no mampifanolana ny roa tonta.