Sosialy

FANOMANANA FANADINANA Hanampy ny mpanala Bakalôrea ny kaominina Antananarivo renivohitra

Nikarakara “Cours faradoboka” ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana Bakalôrea ny avy ao amin’ny Boriborintany fahadimy eto amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA). Mandritra ny dimy andro no hanatanterahan’izy ireo izany, izay miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka aminy ny Cours Ma-Afaka.

Ho fitsinjovana ny ankizy hanala fanadinana ity hetsika ity, araka ny nambaran’ny delegen’ny Boriboritany fahadimy, Rakoto Emmanuel Richard, nandritra ny fanokafana ny faradoboka Bakalôrea. Nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny alatsinainy lasa teo ny fianarana. Natomboka tamin’ny fihaonana teo amin’ireo mpianatra sy mpampianatra nandaminana ny fandaharam-potoana ny andro voalohany. Natao ho an’ireo sokajy rehetra ity fampianarana ity ary ahitana ny taranja rehetra. Ny alatsinainy sy ny talata ary ny alarobia, amin’ny 8 ora hatramin’ny 11 ora ny tapany maraina. Miditra amin’ny 1ora sy sasany hatramin’ny 4ora kosa ny hariva. Ny alakamisy indray dia manomboka amin’ny 1 ora sy sasany ary ny zoma amin’ny 8ora – 11 ora sy sasany . Ao amin’ny birao eo anivon’ny Boriborintany fahadimy ihany ny toerana hianarana. Maimaim-poana ny fampianarana, araka ny fanazavana hatrany.